4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mahafinaritra (a/c: naina andrianjavony) (choir'ist - Chorale de l'IST Ampasampito)

Mahafinaritra, mahafaly koa

Ny miaraka Aminao Jesô!           x2



Ny teninao dia mampahery (mampahery)

Sady fanilo manazava (manazava)

Raha eo Ianao tsy mba ho very (tsy ho very)

Ny aizim-pito koa hisava (haleloia)

Mahafinaritra, mahafaly koa

Ny miaraka Aminao Jesô!



Shalalala (shalalala)

Shalalala (shalalala)



Shalalala

shalalala



Ny Anjelinao dia tena miaro (tena miaro)

Mitoby manodidina ahy (mamonjy ahy)

Ianao Jesoa tsy atakalo (tsy atakalo)

Satria efa nanavotra ahy (haleloia)



Mankalaza Anao

Mankasitraka

Famonjena vitanao

No hiravoako izao

Fa omena hery vao ‘zay mandray Anao



Mahafinaritra, mahafaly koa

Ny miaraka Aminao Jesô!

Mahafinaritra (x2)

Ny miaraka Aminao Jesoa!

Partager mahafinaritra (a/c: naina andrianjavony) (choir'ist

Commenter mahafinaritra (a/c: naina andrianjavony) (choir'ist

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Chorale de l'IST Ampasampito)