4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Malala - Pazzapa 2

Malala, malalako ô

Mba mandray kifafa kely ianao androany

Malala ô

Dia rehefa vitanao  ny sasa ny vilany sy lovia

Dia mba atao ny lakozia

Malala, malalako ô

Anio mba ataonao ny sasa lamba



Dia aza avelanao hanorisory

Aza asiana lonilony

Fa fitiavana daholo izany

Aza avelanao hanorisory

Aza asiana lonilony

Fa fitiavana daholo izany



(ref in-2)

Fa reraky ny manompo anao aho

Leo manao izao sy izao ho anao

Marary be ny lohako

Dia mampaninona moa

Raha toa ianao tena tia tokoa

Androany ihany izany mba atao





Malala, malalako

Aiza ny hahavitako izany rehetra rehetra izany

Malala ô

Fa rehefa vitako le sasa ny vilany sy lovia

Dia mbô ataonao le lakozia

Malala, malalako

Kôzy raha mba haiko izany sasa lamba izany



Ka aza mba mifanorisory

Fa mba tsy hisian’ny lonilony

Dia izaho aza mba atao izany intsony

Aza mba mifanorisory e

Fa mba tsy hisian’ny lonilony

Dia izah aza mba atao izany ’tsony



(ref in-2)

Fa reraky ny manompo anao aho

Leo mamelona anao

Mba marary koa ny lohako

Dia mampaninona moa

Raha toa ianao tena tia tokoa

Izany rehetra rehetra izany mbô ataontsika roa





Dia rehefa vitantsika roa daholo izany rehetra rehetra izany

Fitia mifamaly

Mandrimandry ny tany



Hent’s sy Tosy

Pazzapa 2

auteur-compositeur: Samoela

Partager malala

Commenter malala

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Pazzapa 2