4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Satriko foana - Mirado

Mahatiaro tena ho very aho indraindray
Tsy very diha fa toa varimbariana
Raha tsy eo anilako eo ianao
Tsaroako ho misy banga ny fiainako
Raha any lavitra any ianao
Ny soratananao sy sarunao
No mba banjiniko mandrakariva
Nefa tsy ampy ahy ireo raha tsy tena ianao
ref:Satriko foana tsy hisaradia izaho sy ianao
Tsy mifandao fa izay misy anao misy ahy
Ny fahitako anao eo anilako eo
No harena sarobidy indrindra amiko
Na ny maraina miposaka ny andro
Na ny hariva izay mody masoandro
Indrindra fa ny alina izay mangina
Tsy tony aho raha tsy eo anilako ianao
ref:.......................
Rehefa eo anilanao aho
Rehefa eo anilanao aho
Toa hasambarana hatrany
No manerana ny foko sy ny saiko
Na ory na malahelo aho
Na trotraka na sorena aho
Hisava daholo izany
Rehefa eo anilanao
ref:.......................

Partager satriko foana

Commenter satriko foana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mirado

Suite