4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tango an'ala - Jeneraly

Tango an'ala

Izao ora izao no entiko hanambara etoana
Ilay fotoana tsy hay hadinoina
Fotoana izay niarahantsika tany an'ala
Ka teny indrindra isika roa no nifanadala

Nioty voninkazo ery amoron-kady
Toa mpanambady andro alahady
Nitangotango foana teny dia nandihy
Nandihy sangodina eny amorom-parihy.

Ireo siokam-boronkely
Izay re ombieny ombieny
Ireny no mozika izay nandihizantsika
Nakipiko ny masoko, nakomboko ny molotro
Saika hilaza zavatra, kanefa tena vahotra.
Fa vetivety teo injay nisy feo
Toa feon'angorodao, hay va re ka feonao
Nibitsika mangiana nitady hatoriana
Fa vizambizana ka hiala sasatra.

Velarinao eo amin'ny tany ny lambahoany
Tsara aok'izany, toa anao ihany
Dia teo indray isika roa no nandihy
Fa mangatsiaka ery amoron'ilay farihy

Nihanalefaka ny feon'ny mozika
Nandihizantsika tsisy mpahita
Tsy nisy koa moa nahare izany hira izany
Afa-tsy izaho sy ianao teo ihany.

Tsy nahalala nody fa tsara fanafody
Ka tany an'ala tany no saika hanorina akany
Ny lanitra no tafo, fitia e no sakafo
Raha vitan'izany moa maninona tokoa ?
Indrisy rediredy, ianao ve tsy ho bedy ?
Kanefa azo atao raha manaiky ny mamanao
Lazao azy mangina ny tena fifaliana
Fa any an'ala any no ahitana an'izany.
DIA IZAY.

Partager tango an'ala

Commenter tango an'ala

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jeneraly

Suite