4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nandao anao (a/c: finaritra randriamalala) (choir'ist - Chorale de l'IST Ampasampito)

Nanao izay tsy mendrika

Nandao Anao

Nanao izay tsy nety

Ka nandratra Anao

Ka avelao hitalaho aho

Ho mpiasanao

Ianao tsy nety fa

Nanao ahy toy ny zanakao



Nanao izay tsy mendrika

Teo imasonao

Nandao, niodina taminao

Ka avelao hitalaho aho

Ho mpanomponao

Ianao tsy nety fa

Nanao ahy toy ny zanakao



Olon’iza moa aho

No antsoina hoe zanakao?

Olon’iza moa aho

No avela heloka

Olon’iza moa aho

No omena fiainana

Olon’iza moa aho

No omena fitiavana



Tsy ho voalazako ny ventsom-po

Izay mila hitroatra ato anatiko

Nomenao anay Jesoa Kristy

Mba hanavotra anay

Hamonjy anay

Hiaro anay

Izao



No antsoina zanakao

No avela heloka

No omena fiainana

No omena fitiavana

Partager nandao anao (a/c: finaritra randriamalala) (choir'ist

Commenter nandao anao (a/c: finaritra randriamalala) (choir'ist

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Chorale de l'IST Ampasampito)