4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Natiora vao maraina - Henri ratsimbazafy

Isika eto an-tany
sahirana tokoa
mikaroka izany
atao hoe zava-tsoa
ny vita-nanahary
adinodino ao
kanefa miharihary
ambany masonao.

Rehefa tsy miasa
ireo mpifankatia
dia indreny fa lasa
mandeha miara-dia;
ny toerana mangina
no maro mpankafy
fa tao irony dina no
niorina ho doria

Ref. :
Natiora vao maraina,
havoana lohasaha,
mamelombelona aina
adinonao angaha ?   
Tsy tambo ho lazaina
ny harena miafina ao,
mamohafoha saina
toa miantso hilalao.

Partager natiora vao maraina

Commenter natiora vao maraina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite