4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Politika - Belahy

Lasa lavitra ny saina fa misy te hisaratsaraka

I Afghanistan ve no alaintsika tahaka ?

Misy faly sy mitsiky ary koa mikakakaka

Fa I Madagasikara, hono, ndeha ho atao toy ny any Irak



Angamba raha ny Malagasy no mahavita Tank dia mandripandripaka tsy ank’hijanona

Vao mahavita baomba kely artisanale mampihorohoro andro aman’alina

Faly ny Al Qaïda fa ny Malagasy no ataony ho vazy

Nolazainy fa “çà va" fa amin’ilay fanaovan’azy



Izaho aloha ‘ndeha hitsoaka

Fa matahotra tsipoapoaka

Raha malahelo ahy indry

Izaho tsy any Ambanidia

Aza mba mipipapipa

Fa tena mahasoson-driba

Aoka aloha mba hijanona

Ilay baomba artisanale

Izay indry vao miantso

Ny somaiso alefaso





Niala teto ianareo dia nitaingina avion

Tsy nahay nifandefitra rehefa tany Maputo

Ny vahoaka dia hikôzy ‘nareo ve nandeha nirôzy

Hatrany Addis-Abeba, ny olana tsy voavaha





Tonga tany ianareo dia nifanaraka nanao Sonia tsy noterena

Tafaverina ianareo dia nihazakazaka ndeha hiady ministera!!

Isika mahaleo tena fa voabaiko sady mievaeva

Ianareo MISAVORITAKA, MIFANDROMBAKA AN-KIADY SEZA!!!



Ny fiainanay mihamazana

Ianareo ve tia Tanindrazana?

Na Maputo na Dakkar

Ny tantara no hitsara

Atao toy ny maskita

Ity hoe TETEZAMITA

Ny vahoaka mahalala

Ny mouvance  Maramara

Aza dia manararaotra

Fa sasa-miandry ny vahoaka



Atao toy ny maskita e!

Ilay TETEZAMITA

Ny vahoaka mahalala

Ny mouvance  Maramara ô!

FA I MADAGASIKARA DIA TANINDRAZANAY MALALA !!!!!

I MADAGASIKARA TANINDRAZANAY MALALA Ö !!!!




Partager politika

Commenter politika

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Belahy