4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raha ny zaza (bouboul - RAMBOATIANA Etienne)



(sôlô lahy) Raha ny zaza é é é é

        (rodobe)  Ny zaza miaina amin’ny fialonana

                         Fankahalana tsy hay saronana

(sôlô lahy) Raha ny zaza é é é é

        (rodobe)  Ny zaza voataiza amin’ny fanakianana

                         Fanaratsiana no ataony fananana

                         Fa ny ankizy izay niaina

                         Tao anatin’ny sitraka

                         Azo inoana fa any aoriana

                         Fa tsy ho tia fitapitaka

ô! ô! ô! Manjaka amin’ny zaza ny fahamarinana

Rehefa lehibe izy, tsy ho sahirana.



(miverina in-2 hatrany am-boalohany)



(musique guitare intermède avy eo)





(sôlô lahy) Raha ny zaza é é é é

         (rodobe)  Ny zaza mihanta sy be angoty

                          Mitoreo foana izy fa tsy voky

(sôlô lahy) Raha ny zaza ô ô ô ô

         (rodobe) Ny zaza miaina aman-tahotra

                         Tsy hahatoky tena fa hiahotrahotra

                         Fa ny ankizy izay miaina amin’ny fahendrena

                         Tsy ho sarotra ho azy ny ho tody

                         Amin’ny zava-kendrena

ô! ô! ô!  Tanora mazoto, tsy be fitarainana

Tsiky no hasetriny ny onjam-piainana

Partager raha ny zaza (bouboul

Commenter raha ny zaza (bouboul

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RAMBOATIANA Etienne)