4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Samy mahafinaritra ahy - Zoely Ratsimbazafy

Samy mahafinaritra ahy

ianareo roalahy

saingy izany tsy azoko tenenina

Samy tsara samy soa

samy tiako avokoa

fa na dia marina aza tokony afenina



Ny lalàn’olombelona

no indreo manelontselona,

ny olona mahazo miteny

kanefa tsy ahoako izy ireny



IANAO.

tsy tapaka miresaka

manao’zay hampifaly ahy



IZY,

dia mipetrapetraka,

bonaika, malemy fanahy,



IANAO

manala sorisory

misangisangy lava izao



IZY

raha misy maha-ory

dia tokiko sy hery vao.

Partager samy mahafinaritra ahy

Commenter samy mahafinaritra ahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Zoely Ratsimbazafy