4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy mba nosakananao - Zoely Ratsimbazafy

Fony aho vao nampianarinao

Tandremo tsara, hoy ianao

Aza mitia izay olona efa manambady

Mahaiza miaina, hoy ianao,

Aza adalaina, hoy ianao

Ny manan-tiana sy ny manam-pofombady

Mahaiza miala, hoy ianao

Fa be no adala, hoy ianao

Fa na ny manana aza ange mbola mitady



Fa saingy tsy nambaranao,

Na azo atao na hy azo atao

Sady tsy nosakananao ny foko tia anao

Fa saingy tsy nambaranao,

Na azo atao na tsy azo atao

Sady tsy nosakananao aho,

Tia anao.





Ny anatrao izao tadidio

fa manontany aho ka valio

Satria ihanao dia efa vita mariazy

Raha misy tiana, hoy ianao

Fanambadiana, hoy ianao

Na lalan-tokana tsy mahameloka azy

Ny vadinao sy zanakao

Mbola tianao, voalazanao

Fa n’aiza n’aiza ihanao tsy hahasaraka azy.



Ka ny fitiavako anao

Ataoko ahoana indray izao

Fa tsy mba nosakananao aho

Tia anao.

Partager tsy mba nosakananao

Commenter tsy mba nosakananao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Zoely Ratsimbazafy