4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sara - tiana - Henri ratsimbazafy

Tonga ny fotoana
'zay ifandaozanay,
alahelo foana
no mampangaihay.
Lasa koa ny saina,
mivavaka ao am-po,
velona taraina
fa tsy hita izay hanjo.

Eny an-dalana eny,
arovinao ny dia,
ombay ombieny ombieny
mba ho tafita ary
Fero sy sakano
ny loza mety hanjo,
ento ka tantano
mba ho tody soa.

Ref. .
Arovy amin'ny fakam-panahy
ampio koa izy mba ahatsiahy
f'izaho aty dia tena tia
manahy dia manahy ery

Partager sara - tiana

Commenter sara - tiana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite