'Ketriketrika, hono ny azy ny loha
Nila, kisa, nila vaniny, niemponiempona ny fony
Nanahy ny hivadika ondana
Raiki-tahotra sao hivadika ati-doha
Iny izy hilomay, nihazakazaka-dava, nirifatra, niridana
Hanary aina an-tany karakaina
Asa nivika sa tomika
Ny fony gogogogo, valalan'amboa, valalan'alika