4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny misy anao - Toucky

Vao niposak'iny masoandro iny ianao
Dia nidify ny efi-tranoko,
Tsy namela teny kely akory anefa
mba hahafantarako.
Ny misy anao re mba aiza moa?
Tsy mba fantatro
Ny misy anao re mba aiza moa?
Tsy mba fantatro.

Maro anefa izay
kinasantsika sy ianao
Fa afoinao any
toa nanjary kilalao,
nosy ihany ny masoandro
tsy mbola tonga ianao

Izaho irery sisa no mamisavisa
ny hoaviko
foana hatreo angamba ilay paradisa
mba ho anjarako
fa ny misy anao re mbola hafa no
tsy nananako;
ny misy anao re mbola hafa no
tsy nananako.

Hira sisa no hany,
hany hoventsoiko
raha mba renao any
dia kaloy indrindra
fa atolotro ho anao
raiso ampitiavana.

TOUCKY

Partager ny misy anao

Commenter ny misy anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Toucky