4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tiako fotsiny ianao - Bodo

Tiako fotsiny ianao
Tsy asiana hoe nahoana
Na tovonana satria,
Tiako fotsiny amin'izao

Tiako fotsiny ianao
Tsy asiana hoe nahoana
Tsy amerana fotoana,
Tiako fotsiny doria

Tsy ny teny izay tononinao
No ahafeno fitia
Tsy ny toky izay foroninao
Mora rava sy malia
Fa ny fo tsy manam-peo

Nino satria tsy ny nahoana
Mety ho takatry ny saiko
Tetika hikendrena laka
Haingon-teny babagoana

Nino satria tsy ny nahoana
Mety ho takatry ny saiko
Rindram-bola very maina
Ravina tsy misy faka


Bodo

Partager tiako fotsiny ianao

Commenter tiako fotsiny ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bodo

Suite