Soa fa nisy anao niharitra tamiko
Nahafoy ny fiainanao mba ho ahy
Malahelo aho na iray minitra aza tsy anilanao
Tena tia ahy ianao,mahatsindry fo
Izay rehetra miseho voatandrinao tokoa
Na fihetsika na fiteny mambabo avokoa
Ref:Fa sambatra loatra aho
      Fa manana anao,fa manana anao
      Fa sambatra loatra  ny mifankatia
      Fa sambatra loatra aho
      Fa manana anao,fa manana anao
      Fa sambatra loatra  ny mahay miara-dia
Be ireo fankampanahy,mandrango mandraby ahy
Miserana mandalo imasoko
Nefa ianao no efa notiaviko
Andriamanitra irery no afaka mba hijery
hitsilo sy hiaro ny fiainako
Angatahiko izy ho ianao no mba ho anjarako
Ref:....
             Jeannot
    Commentaire:Hira milay be mihitsy io fa tena zara raha mandeha amin\\’ny radio.Tamin\\’ny 1997 no nahenoko an’izy io farany.