Any andro iray 
Izao tenako izao 
Hangina tsy handre 
Ka hitomany ianao 
Any andro iray 
Ny fo mifankatia 
Hisaraka avokoa 
Dia ho foana ny fitia 
Ary any andro iray 
Izao tontolo izao 
Ho toro ka hisolo 
Ho tany vaovao 
Any andro iray 
Satana sy ny sisa 
Handositra avokoa 
Hiseho ny paradisa 
Hisaina ianao mba inona no atao 
Hisaina ianao fa tsy ho fantatrao 
Any andro iray 
Ho hitanao tokoa 
Ireo razana hatrizay 
Hitsangana hifoha 
Ary any andro iray 
Ny didy dia ho toha 
Ka ho eo anatrehanao 
Ilay endrika tsitoha 
Hisaina ianao mba inona no atao 
Hisaina ianao fa tsy ho fantatrao