4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Valim-bavaka - VHF

VALIM-BAVAKA

Mba ambarao mazava aminay ry Ray

Fa mbola misy zavatra tsy takatray

Ny tsy hamalianao ireo vavakay

Hatratramin’izao ka hatramin’izay

Fa mbola feno fahotana ve izahay

Ka mbola tsy voavelanao ny helokay

Na dia miantso anao isan’andro ary izahay

Dia ny omaly tsy miova ny fiainanay



Tsy ho kivy anie aho miantso Anao

Ray Malala ô

Hiantso anao foana ity zanaka adala

Efa ela anie aho no mba te hiala

Amin’ny fiainana toa kidaladala

Raha sitrakao ry Tompo omeo ahy ny hery

Hiatrehako ny ampitso ho avy mistery

Tariho lalana aho mba tsy ho very

Fa malemy sy osa feno fery



Mba iza moa ry Ray no hitarainako

Afa-tsy Ianao izay nanao ny fiainako

Raha mitady hamolaka ny zava-manjo

Ianao ihany no andry iankinako

Ialako tsiny re ry Tompo Aminao

Na dia efa kivy tsy te hihaino ahy aza ianao

Indro aho ry Tompo raiso fa adidinao

Efa trotraka mba mitalaho



Nangoniko ny heriko tato anaty

Hanazava ny finoako  mba tsy ho faty

Efa hatry ny ela anie aho no efa nino

Fa ny Raiko ambony tsy manadino

Ifonako ny ditra sy ny hadalàna

Tsy ataoko intsony ny handika lalàna

Indro ny tenako atolotro Anao

Inty aho ry Tompo ho irakao, irakao

Partager valim-bavaka

Commenter valim-bavaka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe VHF