4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vavaka - Henri Ratsimbazafy

Ho an'ireo miseho ho marina

Mitady tsiny ho hitarina

Manenjika ireo tsy tafarina

Mivavaka aminao izahay



Ho an'ny zanaka velezin-dray

Ho an'ireo mpianatra izay

Miezaka kanefa tsy mahay

Mivavaka aminao izahay



Ho an'ireo tanora mifangia

Ka manantena fa hoe ny fitia

Haharitra mandrakizay doria

Mivavaka aminao izahay



Ho an'ireo latsaka an-davaka

Diso famindra ka solafaka

Mba te hiarina fa tsy afaka ô ô !

Mivavaka aminao izahay



Ho an'ireo nahita lalana

Tafakatra natosi-tanana

Avy eo tsy mahalala namana

Mivavaka aminao izahay



Ho an'ny mpiasa ana, sasatra

Kanefa mbola miasa fatratra

Na dia trotraka sy sasatra

Mivavaka aminao izahay

Partager vavaka

Commenter vavaka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri Ratsimbazafy

Suite