4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Veloma - Ramboatiana Etienne

Tonga izao ny fotoana voafetra

Andaozako ny namako rehetra

Afeniko irery ato am-poko

Ny sento sy ny alaheloko



Fiv: Veloma re, veloma mbola hihaona

     Tsy ho ela akory hiaraka indray

     Veloma re, veloma mandra-pihaona

     Miandry anao, miandry anao ’zahay



Ny fahatsiarovako tsy mety maty

Mipetraka milevina ato anaty

Ny vatako, ny tenako na any

Ny saiko kosa mbola eto ihany



Ny fihavanantsika efa mafy izao

Aoka tsy hiova na ho faty anie

Ireo tsiky, hehy sy lalao

No hamatotra antsika ange.

Partager veloma

Commenter veloma

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ramboatiana Etienne