4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Andavanadro - VahÖmbey

Tsy arira na angano no ho tantaraiko anao izao hariva izao

Na diavolana koa aza ny andro ny andro

Tsy angola tantely teny mamy toy ny hoe "tiako ianao"

Ka mitanisa ny lazo ny andavanandro andavanandro



Raha vao mangiran-dratsy Ra-maraina vao maraina

Dia sahy mandeha miremby vola kely ody aina

Isan’andro izao mandadilady mitady

Izay kely azo atao izay ihany no azo atao





Arira sa angano no tantaraiko anao izao tankariva izao

Sady diavolana kokoa mantsy ny andro ny andro

Mampiangola tantely teny mamy toy ny hoe "tiako ianao"

Voaravaky ny tsikinao ny andavanandro andavanadro





Saingy raha vao mangiran-dratsy Ra-maraina vao maraina

Dia sahy mandeha miremby vola kely ody aina

Isan’andro izao mandadilady mitady

Izay kely azo atao izay ihany no azo atao

Partager andavanadro

Commenter andavanadro

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe VahÖmbey

Suite