Angamba tsy hadisoako
Raha toa injao tsaroako
Mientanentana ny ao am-poko
Raha taitra lalovanao
Angamba tsy fahotana
Raha toa tsy mety tana
Ny nofinofiko lasa mazàna
Miantefa any aminao
Satry foana isan’andro no hihaona
Satry foana hiresaka eo mandavan-taona
Satry foana hisangisangy hilalao
Satry foana handihindihy an-tratranao.
Satry foana (3)