NDRAO HANENENANAO
Raha izao moa no tonga ny fotoana
Hiverenan’i Jeso ery an-drahon’ny lanitra
Ahoana re no mety ho fihevitrao
Moa ve ianao hahatoetra toy izao ?
Dieny mbola misy ny fotoana
Omeny hibebahanao
Araraoty ny hahavelomanao
Sao tsy ho zakanao.
Mibebaha, mibebaha, miheke, mifonà
Fa ho avy izao ny Mpitsara anao : Jeso
Raha fantatrao marina i Jesoa
Inona indray moa no mbola handrasanao ?
Faingàna handray ny Tompo, aza ela izao
Faingàna aza ela ianao.
‘Ndrao hanenenanao !
Dieny mbola misy...
Ho avy Jeso ‘lay Mpitsara anao.