Tsy haiko hadinoina fa tanàna nahabe, i Sadabe
Tanàna nilalaovana, nigohana ny mamy Mamy toa tantely,
Sakaiza fahazaza, any avokoa
Tsaroako foana ireo niarahana
Mpandalo izahay
Ka tsy maintsy sakambinina ny ao am-po
Fa mbola hoavy ihany
Hamangivangy, indray andro any…