4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Anjanamasina - 18,3

ANJANAMASINA

Any Anjanamasina feno adala mitsikasina

Misy razoky mpanaran-dalamby mankany Toamasina

Mitondra kalesy lazainy fa lamasinina

Kanefa tsinona fa Razoky tsy mahazaka mifoka kininina

Anontaniana hoe: hoatrinona lesy ny saran-dalana?

20 Milliards hoy Razoky dia ny olona nialangalana

Feno voadonan’ny fiainana any feno vita tanteraka

Misy vehivavy vao mahita omby dia misaveraka

Lazainy fa iny ny vadiny ( 2 )

Kanefa maty Razoky, dia lazainy fa nivadika omby fa tsy tantiny

Any Anjanamasina misy zavatra zava-doza

Misy manenjika alika misy mitaingina voritsiloza

Ny antony efa simbasimba izao ny fiaraha-monina

Ny pokona efa valabalaka sady ny sasany ilaozany mingonongonona

Matoa miha-betsaka ny adala betsaka koa ny MIVIKA

Satriaa ny fiainana efa lasa ady alika





ref ( 2 ):



Be dia be ny porna, mifondrana, mivika

Anjanamasina no antenimieran’saina mipika very tsy hita

izahay telo m’tsam adala tia mozika an!

Telo manifika 3 manifika, manifika.





Variana mijery fitaratra izy tonga dia midoka tena

Nefa ny tarehiny jereko ity izy hoatran’mivadika HORERA

Tsy sahy mivanitika aho satria olona mitovy am’tena

Misy nofo sy ra saingy tsy salama ny siany

Ahitana karazany mifondrana, m’nday, mivika

Manao kiraro sachet ny sasany, ny sasany mitondra sobika

Tao y nalefan’ny mozika, ny sasany kosa matahotra sioka

Ny ery mikonetaka, ny ery mihomehameha adin’ny valo

Ilay Razoky tena misenina mahakobo domy double valo

Amidy hono izy fa tsy azon’iza n’iza hatkalo

Eny daholo rehefa tsy ampy saina na GENA na ZARA na TSALO

Na misy harena na tsy misy harena na ny manota fady

Na ny tsy mahazaka tambavy na nasian’ny sasany tamin’vehivavy

Rehefa korontana raikitra hatramin’ny ompa anabavy

Rehefa averina zero dia alefa alatsaka amin’ilay tady

Izay ilay izy any amin’ny 18 mifampitady

Ref x2:

Anjanamasina fonenan’ny adala tsy miraharaha fahatongavan’ny apokalipse

Ny sasany vao haingana napiditra Rayban dia mijery eclipse

Mba misy hono misaina dia mitsiker: ’’ ty koa miporona mandany lera ’’

Ka ny hitako tsy hitan’ialahy fa ny lohaben’ialahy sy ny jupiter an!

Adala am’solfa mihirahira eny dia izao foana ny refrain

Choco-la, choco-do, choco-mi, chocomin

Ny sasany rehefa mamindra dia manao hoe Voom!

> essence lesy ty an! Pip-pip sao voadoom!

Tavoahangy na Aluminum na kapoaka vidiana o!

Ao ambadiky ny tranonay ao misy maro vao narianao!

Manga et mora, manga eto mora

Tsy henoko mihitsy ny kozin’ialahy fa ataovy hoe: manga eto mafy ( 2 )

Adala iray no efa sitrana. Salama saina angamba i Johnny Gasy

Nialan’ilay fanahy ratsy angamba gitara nisolo baiboly lasa Radada pasy

IAPA no tsy azoko manoratra amin’ny la craie manao sarina Roplan

Teny tsy fantatra, mitaty rakitra alohan’ny hanaovana an’ilay zavatra

Ref x 2.

Partager anjanamasina

Commenter anjanamasina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe 18,3