4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fety be - 18,3

Vao nifoha vao masilina mbola tsy mikaly ninon’inona

Teny am’arabe nitondra ny papouse nijery bibelina

Avy eo nifirista adiny iray teo ambonina instrum

Tsemboka dia mikaly, dia nisasa, dia niakanjo, dia niapa

Tafahoana tamin’ny kof’boay avy eo fa hiresaka RAPY

Tonga ny tamin’ny telo io fa manenjika RAMARIA

Soa ihany fa nisy Rotsa fa saika horoasiko tsy hankaty

Nividianako mofo sy jus dia nampiako Biscuit

Avy aty izay hihinana fa izaho somary mizara vilana

Rehefa amin’ny Bolognaise aho tonga dia hohaniko nisompirampirana



Tonga ny tamin’ny telo ireo daholo ny kof’boay

Nihaino vazo, nitafatafa sady somary mandraindray

Cuvee noire mamaivay, ny tsaky nilailay, izay tsy nisotro n’daynday



>



Efa dila ny masoandro saina tonga aho dia nandeha nody

Sady taty tsisy nondro sao mieritreritra ny any am-bovo

Dia misakana pikla: Anjanahary eo amin’ny faralahy Andriamazoto

Dia Ankadindramamy eo ambanin’ny Mikoja hoatrinona?

15milles, ataovy douze fa izay no parotranay m’tsam an!

Sady maika hody, sady savla aho no maikamaika no te hatory



Ref:



Isan’andro, poinsa fa revy be dia kaly be

Maraina ny andro, manal’azy mihomehameha

Hariva ny andro, mivoaboaka mandehandeha

Isan’andro, da fety be, da fety be





Niolam-pandry, nanofy ratsy tafandriamanjy

Nitsangana nijery fitaratra mikoso-maso sady mihinana fromazy

Tele komandy, CD, Vitam’s

Nimenomenona ny fianakam’s ohatran’ny panao Yam’s

Niborosy nify, nisasa, nisolo mbala nivoaka niadaladala

Na kala na tsy kala tsy nisalasala nifanala tsy aki-ala

Samy mahazaka samy mahatanty, mandeha ny kotizany hividianana paty

Coca-cola, cuvee-noire dia limonady

Manomboka mibaradaka ny sasany dia mitantara ny lasany

Manondro ny fasany, tsy tadidiny intsony hatramin’izay handrasany



Izaho indray, manomboka nibitsika nisintona, inona indray

Ny maso efa misitrika mivindina, mbola tsy fay

Ny aprem manal’azy eny amin’ny SAMARA manao billard

Ny sasany vao mitifitra dia maty ny boule noire



>, aza mifanankina an! >>



Aza miady eo ialahy isany mitsam, bisou ( 2 ) dia mba mifamihina

Dia mitohy ny revy tsy mijanona La lionne, Ho-kam

Izay ilay pilanina, ny vavony tsy en-panne fa ho any amiko amin’alina

Milalao playsta resy dia miala izay maharesy mizesita

Mivanivany mandra-paharainan’ny andro izany ila fiesta





Ref:



Avy niari-tory ny kofa dia taitra ny maraina

Nikipy nitsangana mbola tsy tonga saina

Mofo dipaina sy dite aloha tadiavina voalohany

Dia avy eo misesa dia mangala-pihinana ny tohiny

Amin’ny valo maraina mitsoaka sao dia asaina mampirehitr’afo

Nefa ny fitsohahana aza ao am-bovo somary vidina lafo

Fandriana mody milamina amin’izay tsy bedy hoe tsy nody ny alina

Dia mody fanina tsy natory teo aho fa tany amin’amina

Dia avy eo misotro Bex 1, 2, 3 ajanony sao dia mihoatra be

Sao dia mampihomeha, sao koa tonga dia vita be

Tonga ny atoandro dia mitady kaly, dia voky dia falifaly

Dia tsy mahatsiaro nijaly nilaolao V-Rally, Tekken

Dia avy eo eny Antaninarenina manal’azy misenintsenina

Mijery sipa, mikotokoty, tsisy bleme ny aprem lasa any amin’ny CCL

Hay ra-SLAM efa lasa nipah

Vao tapany fotsiny kay no niala tamin’ilay VODKA

Ilay Coca tsy lany dia avy eo nody nitsilanilany

Nijery film eo imasond-Rabofy mody kalam mody mipirina

Amin’ny sivy alina miandry sioka tokana dia lasa mivoaka

Any amin’ny feo manga manal’azy hatramin’ny maraina tsy mitsoaka

Partager fety be

Commenter fety be

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe 18,3