4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aoka iska tsy... - Antokom-pihira Akon'ny fahazavana

Aoka isika tsy hitanisa

Ireo lasa niainanay

Fa mahatonga tebiteby

Ireo tsy nety fahizay



Aoka isika tsy hosodoka

Ny anio manaitaitra

Izay mandalo sy miserana

Fa izay jerena toa raitra



Aoka isika tsy hanombana

Ny ho avy rahatrizay

Na variana hamisavisa

Ny ho avim-piainanay



Omeo anay ny fotony

Mba tsy hanana ahiahy

Fa hianao ilay Mpamonjy

No miaro sy mitahy

Partager aoka iska tsy...

Commenter aoka iska tsy...

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antokom-pihira Akon'ny fahazavana