4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Setroka sy rano - ARISON JAHA



Eo anelanelan'ny setroka sy rano aho

Eo anelanelan'ny tany sy ny lanitra

Tsy mahita tory aho izao alina izao

Tsy mahita tory aho ka tsy mahita atao



Injany misy rano ratsy hidy any ho any

Mitsitaitaika toa doboky ny fo

Doboky ny fo mitady filaminana

Doboky ny fo mitady fahanginana



Nefa misy ve hariva manontolo

Nandinihandry ny lasa

Nefa nisy ve hariva manontolo

Nandinihandry ny ho avy



------

Eo anelanelan'ny setroka sy rano aho

Eo anelanelan'ny tany sy ny lanitra

Tsy mahita tory aho izao alina izao

Tsy mahita tory aho ka tsy mahita atao



Manaraka iny setroka miakatra iny ny fijeriko

Manaraka iny setroka miakatra iny ny eritreritro

Setroka miakatra tonga ambony ery

Ny saiko toa tsy tafandry fa mitaditady andry



Izaho anie tia andry andry ry malala

Indraindray aho mba adala



Izaho anie tia andry ary za ry mahalala indraindray aho mba adala

Izaho anie tia an-dry ary izaho mahalala, fa in-dry mody adala







----------

ARISON JAHA


Partager setroka sy rano

Commenter setroka sy rano

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe ARISON JAHA