4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aok'izay - Bodo

Aoka izay ngidinao
O! ry vintako tsy tsara
Fa ifonako tokoa
Maty aho fa mitsahara
Midaraboka mianjera efa tsy maharin-tena
Asanao raha dia ho sahy
Irony tsindry hazo lena

         He 'ty hoditry ny foko
         Miepakepaka tsy nahy
         Fa voarangotrao daholo
         Na ny saiko na fanahy
         Dian'antsy dia-nify
         No natentineo ny foko
         Dray ry vintako malala
         Manafotra ahy ny mitoloko

Asanao ry vintako
Maty aho aminao e
Asanao tokoa tokoa
Asanao dia asanao
Raha hijery ity toloko
Apotrapotrako tsy miato
Na ho faly ny hatoriako
Eo am-parafara vato

Partager aok'izay

Commenter aok'izay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bodo

Suite