4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsinjovy izahay - Chorale Ampitatafika Firaisankina

Misy aminay ry Ray! miady saina mafy e!
Miatrika ady maro sy fitsapana koa e!
Dia mitomany irery toa takona tsy hita
Kanefa manantena Anao e! hitondra famonjena

Jehovah Tomponay o!Tsinjovy izahay e!
Jereo isan'andro na aiza misy anay
Jehovah Tomponay o! matoky Anao izahay
Fa lehibe tokoa tsy takatray ny herinao

Fa fantatrao ry Ray ny fahorianay e!
Fa sarotra isan'andro ny olana sedraina e!
Kanefa tsy ho kivy, fa miandrandra Anao e!
Hitondra fanafahana, ombam-pahasoavana koa.

Jesosy Tomponay o!Tsinjovy izahay e!
Jereo isan'andro na aiza misy anay
Jesosy Tomponay o! matoky Anao izahay
Fa lehibe tokoa tsy takatray ny herinao

A/C: Andriamahefason Jacky
Chorale Ampitatafika Firaisankina
C.2015
Tous droits réservés

Partager tsinjovy izahay

Commenter tsinjovy izahay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Chorale Ampitatafika Firaisankina