4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Melohiko ho faty - COEUR de l'ILE

1.  Jesosy ô! androany no ambarako tsy miambatra

     Ny didim-pitsaran'ny foko ho fantatra

     Melohiko mba ho faty avokoa

     'Reo toetra ratsy nangeja ahy taloha

     Tsy misy omeko ny famindrampo

     Ry Tompo Tsitoha



     Réfrain :  Fa fantatro f'ireo JESO no efitra mampisaraka

                    Ny Làlako sy làlanao tsy hety ho tafaraka

                    Ka na dia hisy aza ireo hitoreo

                    Vao mainka asandratro mafy ny feo

                    Melohiko ts'isy famindram-po

                    Noho IANAO JESO Mpamonjiko





2.  Fantatro fa tsy mora koa ny hanatanteraka anio

     'Ty didim-pitsaran'ny fo ka mba ampio

     F'IANAO JESO no hianteherako

     Hanampy ahy eo amin'ny toerako

     Hamono ny ota nifoterako

     sy avelako



Réfrain :  Fa fantatro f'ireo JESO no efitra mampisaraka

                    Ny Làlako sy làlanao tsy hety ho tafaraka

                    Ka na dia hisy aza ireo hitoreo

                    Vao mainka asandratro mafy ny feo

                    Melohiko ts'isy famindram-po

                    Noho IANAO JESO Mpamonjiko

Partager melohiko ho faty

Commenter melohiko ho faty

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe COEUR de l'ILE