4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hainao izany - COEUR de l'ILE

Ny olana rehetra miseho

hainao vahàna

Ny aizina aza jereo

lasa hazavana

Ny ratram-po zay mangia

hainao tonena

"Reo very lasa nania

tianao vonjena



    ISAN'ANDININY

            Koa hitoky amin'iza izahay

            raha velona koa ?

            Hianao irery ry Ray

            no andrin'ny fo !

            'Zao no safidy ataonay anio

            hanompo Anao

            Omeo Fanahy ary ampio

            'Reto zanakao



Anjara tsy sahaza

hainao arindra

Ny tendrombohitra aza

hainao afindra

Tsy misy toetra ratsy

tsy hainao ovàna

Ny tafiotra aza mantsy

hainao raràna



     ISAN'ANDININY

          Koa hitoky amin'iza izahay

          raha .......

  

      Fantatray fa misy fahavalo

      te-handrombaka anay



    ISAN'ANDININY

            Koa hitoky amin'iza izahay

            raha velona koa ?

            Hianao irery ry Ray

            no andrin'ny fo !

            'Zao no safidy ataonay anio

            hanompo Anao

            Omeo Fanahy ary ampio

            'Reto zanakao





                  

Partager hainao izany

Commenter hainao izany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe COEUR de l'ILE