4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Souvenir - FIDAR

Ref: Izao anio izao, horaketiko an-kira
Ho marika fa tianay ianao
Izao anio izao; ho ataoko souvenir
Tsy hiala mandrakizay ao amponao

1- Fa teto izao sy ianao no niaraka nikalo
Teto izaho sy ianao no nampiara-peo
Koa andeha raiso indray ny gitaranao izao
Andao hamerina ny fiarahana hatrizay

Ref: Izao anio izao...

2- Fa teto ny akama no niaraka nirevy
Tsy nifankafoy toy mpirahalahy
Nandalo teny ho eny ireo taona nifanesy
Indreto hatrany isika niombom-panahy

Bridge: Fa ny lalana nizorana hatrizay
Nifandimby teny ny ratsy sy ny soa
Nifampizara hafaliana dia niaraka nitsiky
Nifankahery raha sendra tojo manjo

Ref: izao anio izao


A/C: Fidar
Arr: Jo Sia

Partager souvenir

Commenter souvenir

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FIDAR