4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Am-pelatananao ry raiko - FIHIRANA FANAMPINY

Am-pelatanana ry Raiko

Ny mombamomba ahy rehetra

Iriko ianao no ho mpibaiko

Ho andrirahoko tokoa

Hitarika ahy hatrany hatrany

Andriafo tsy mandao Ianao

Jesoa Ianao no hazavana tsy ho lany

Am-pelatananao ihany

Mandrakizay doria doria

Na ny fiainako eto an-tany

Na hatrary ankoatra ary.



Ny saiko am-pelatananao

Ny foko efa tsy ahy intsony

Fa voaova ho vaovao

Dia lasanao ry Ray ambony

Ny hasambarako ombieny

Mifaly manana Anao

Ilay fiainako mpanjeninjeny

No voafehinao anatiko ao

Am-pelatananao ihany

Mandrakizay doria doria

Na ny fiainako eto an-tany

Na hatrary ankoaatra ary.

Partager am-pelatananao ry raiko

Commenter am-pelatananao ry raiko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FIHIRANA FANAMPINY