4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miandrandra anao izahay - Groupe BETTY

Nilaza Ianao fa hoe andao
Ndeha hanamboatra toerana ho ahy
Ka izay misy Anao no hisy ahy koa
Ny fandresenao Tompo ô! Fandreseko koa
Izay làlanao no làlako
Izay sitrakao no sitrako

Tompo ô!
Miandrandra Anao izahay
Sasa-miandry,
Miandry Anao hatramin’izay
Manantena fa mbola ho avy
Mbola ho avy ilay andro iray
Izay misy Anao, misy anay
Ho mandrakizay

Dia tohano mafy ny fanahiko
Tsy hangozohozo mandra-pihavinao
Dia ny teninao tanako
Ho jiro manazava ny làlako
Izay làlanao no làlako
Izay sitrakao no sitrako

Tompo ô!
Miandrandra Anao izahay
Sasa-miandry,
Miandry Anao hatramin’izay
Manantena fa mbola ho avy
Mbola ho avy ilay andro iray
Izay misy Anao, misy anay
Ho mandrakizay

Partager miandrandra anao izahay

Commenter miandrandra anao izahay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Groupe BETTY