4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ambatofotsy gara - Ifanihy

An-dalana ny fiara

mankany mankany

Ambatofotsy gara

no tanjona androany

   Maredona milay

   ireo vazo sy ny hira

   ary ilay sôferanay

   mitira dia mitira

Vetivety foana

dia afaka ny lalana

adino tsy tsaroana

izay poritra te-hivalana

  zary tsy re intsony

  ireo antsoantso taloha

  ilay hoe ajanony

  fa ny olombelo-tsy akoho

Dia tonga soa aman-tsara e

endrey ny hafaliana

fa Ambatofotsy gara

no toerana itodiana

  Tsy misy andraso andraso

  ny fety aman-dalao

  fa avy dia alefaso

  izay tokony hatao



Baolina ny ady

nilamaka ny bozaka

fa ry zalahy tomady

no indreo manenja-kozatra

  F’izaho ilay osaosa

  sy nalemilemy ranjo

  ery antsisi-tosy aho

  no miambina ny akanjo

Ireto ampela soa

ery anaty rano

miangavy an-tanandroa hoe

avia mba hilomano

  F’izaho izay vato alatsaka

  no nanao hoe aoka aloha

  sadaikatra aho sadaikatra aho

  ny hanala pataloha

Ifonako zavavy ô

fa aza dia terena

izaho mora manavy

marary aho raha vao lena

  Na ny eny ambony kanja

  na ny eny anaty rano

  ekeko fa samy manja

  f’izaho izao mbola kamo



Ireo hafa dia nanasa

mba hiaraka hitelina

ilay rano tsy fisasa

fa rano mahadomelina

  Minitra vitsy monja aho

  dia fanina nisavily

  nanonja dia nanonja

  ilay eran’ny kapisily

Nalefa ny kasety

dia raikitra ny bal

betsaka ny fety hoy aho

fa ity vao tena lalina

  Ny tena môsimôsy

  tsy mahay mandihy

  ampio aho re Jesôsy ô

  fa tsy misy hoatr’ty

Manahirana ahy

ilay haka partinera

aleo aho aleo angaha

hanao ôperatera

  Avy eo aho dia hidila

  hijoro etsy am-pidirana

  hisava tapakila

  hitandro filaminana



Ireo sasany moa

dia niandahy niambavy

nadeha tsiroaroa

ho ery ambodi-goavy

  nitady toera-mangina

  sy tsy maro mpizaha

  ho solon’ny fandriana

  zay tsisy tety an-tsaha

niakanjo ravi-tseva

nisatroka mimôza

de hoe adama sy eva aho e

Jane sy Tarzan

  F’izato izaho kosa

  nanao hoe alaviro

  ny tena moa kanosa

  ka aleoko nitan-jiro



Sahalahala ami’zay

ny amin’ilay tantara

any ianao ka any ô

ry Ambatofotsy gara ô

  Zavatra ankiray

  no aoka dia ho tsorina

  inay aho mba nahay

  izay fanaon’ny olona

Partager ambatofotsy gara

Commenter ambatofotsy gara

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ifanihy