4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Zokilahy - Ifanihy



Zokilahy, tonga saina ihany aho hoy aho

F’ianao toa daozidaozy foana e

Nefa efa mandroso ny taona

Ka mahagaga ahy raha ho vita ny adidy

Amin’izato kapoaka mangidy



Zokilahy, angaha mbola tsy fantatr’ingahy

Hoe marina fa tsy anganongano

Ilay titanic zakan’ny rano

K’inona moa izay isika olombelona osa sy mora domelina



Ilay vady tiana, ilay vady tsy foy hatramin’izay

Ilay mamy toa tantely efa lasa niompy bandy kely

Lefy ilay fitia f’ianao d’efa vizaky ny pi e

Efa valaka hono e ka nanjary tsy reveny intsony



Ireo safosafo izay efa novidinao lafo

Nokitihiny ianao fa tsy nihontsona

Fa vao mainka nitodi-damosina

Toa manao hoe matory no tsara

F’izaho tsy mahavita devoara



Zokilahy, dia malahelo mafy aho hoy aho

Fa ianao dia tsy afa-manoatra

Amin’izato basy tsy mipoaka

Ianareo roalahy sisa mamisavisa

Hoe hody tsimbotry ny adrisa



Manetsetra, hoe any izay izy rehetra

Revy be tsy hifankahitana

Fianao aty miandry tanàna

Ka ny tavoahangy no sisa iondanana

Sady misalaka tànana

Partager zokilahy

Commenter zokilahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ifanihy