Misaora an’i Jehovah
Misaora an’i Jehovah , miantsoa ny anaran’i
Jehovah
Mitoria ny asan’i Jehovah
Amin’ny olombelona
Ambarao ny fiantrany , lazao ny famindram-pony
Fa mahagaga antsika ny fitiavany antsika
Ry mpanota tsy naringana very manam-panavotra
Maty ka nomeny ny aina mba ho
Velona mandrakizay
Ry Andriamanitra ô ! ry Jesosy Mpamonjy soa
Ry Fanahy Masina ô ! mba vonjeo ny olon’ory