Tompo ô! inona nno ataoko
Hahavelona ahy mandrakizay
Fa ny didinao rehetra
Dia efa voatandriko avokoa
Raha te ho velon’aina ianao
Dia amidio ny fanananao
Ka zarao amin’ireo mahantra
Dia hanana rakitra any an-danitra ianao
Rehefa vitanao izany
Dia avia ianao hanaraka ahy
F’izay rehetra mahafoy
No hanana ny fiainana mandrakizay
Lazaiko aminareo izao
Fa sarotra ho an’ny mpanankarena
ny hidiran’izy ireo amin’ny Fanjakan’Andriamanitra