Nahoana zany zanako no lasa vinany?
Misentosento ary misefosefo toa mitomany?
Ny reninao ty manantona anao mba te anontany
Fafao re ny ranomaso!
Tsy nahomby re ny fanadinana izay natao
Ka very hevitra i Neny amin’izao fotoana izao
Inona re no atao?
Anohy ve sa hijanona eto?
Ny fianarana dia tsy vita mora Rasombin’Aina
Ny tsy hianatra dia esory avy hatrany ialao an-tsaina!
Ny fianarana Razanako no mba tokon’aina
mianara re aza mora kivy!
Tsy vita mora anie ny fanadinana izay natao
Ny tsy fahombiazana tsy miala amin’izao fiainana izao!
Mahereza re,aza mora kivy
Zao reninao mbola eto anilanao!