O ry voro-manidina irony
mba ho ento zao hafatro izao
ny alahelo hono hoe tsy mba tony
manina aho fa tsy afa-mandao
Tsy mba sitrany hono hoe ny irery
ka hiafy any ankoatry ny bonga
fa ny aty hono hoe manirery
ka izany no tsy mahatony
Koa veloma hono hoe raondriana
mbola ho avy hono ilay andro iray
izay hihaonan’ny tia sy ny tiana
ka hiaraka mandrakizay