Harenako sy vatosoa ianao
Fiainako iray vaovao
Maraina ati-alina ao
Mazava ny foko hatrizao
Matoa ny foko anie tia anao
Dia noho ireo toetranao
Ravaky ny tsikinao
Sambatra aho, anilanao
Izao isika dia tafaray
Nakambana ho olona iray
Anio sy ho mandrakizay
Ianao no lambam-pitia nomeko
Ny foko satria nekeko
Nomeko ny hoe "ho doria"