Andriamanitra ô, Andriamanitra ô !
Ny foko hidera Anao
Ny feoko no hasandratro
Fa Ianao no Tompoko.
Voaharinao ny tenako
Nokoloinao tanteraka
Mamiko ianao, mamiko tokoa
Satria mpanasoa sy mpanamboatra
Hahatonga ahy ny ho sambatra
Sy ho velona finaritra.
Indro aho manetry tena
Sy manao ny fanekena
Anatrehanao ry Ray
Ho Anao mandrakizay !
Jesosy ô, inty aho re,
Manolo-tena mba ho Anao !