O o o, ombin-tsaretin-dRaleva iny o
O o o, mandalo mamaky tanàna izy o
Ombin-tsaretin-dRaleva iny o
Miakatra ny renivohitra
Hivarotra ireo kely vokatra
Hamelomana vady aman-janaka
O o o, ombin-tsaretin-dRaleva iny o
O o o, mandalo mamaky tanàna izy o
Raleva tsy olona ambony izy e
Fa tena tambanivohitra
Tsy anisan’ireo matikambo izy e
Fa olona vonon-kihafy
O o o, ombin-tsaretin-dRaleva iny o
O o o, mandalo mamaky tanàna izy o