Raha ho avy akia ny ora-mijojo ka mamonto mandena ny tany
Dia tsarovy fa tomany izay ny havanao
Tsy mamela fa mangeja toa rojo ny fahatsiarovana ilay tiana any ho any e,
Fahavaratra ny aty ka manembona anie aho.
Raha ho avy izay andro izay
Dia herezo ny fo sy fanahy,
Fa any andro iray tsy maintsy ho tafaray,
Tsarovy ralala ô,
Fa manembona anie aho.
Raha ho tonga akia ny hatsiaka mamanala, ny zaridaina lasa babangoana,
Dia tsarovy fa manirery izay ny havanao.
Manjonitra tsy misy mpahalala, mangatsiaka anie aho tsy misy hamindroana,
Fa ririnina ny aty ka manembona anie aho.
Raha ho avy izay andro izay
Dia herezo ny fo sy fanahy,
Fa any andro iray tsy maintsy ho tafaray,
Tsarovy ralala ô,
Fa manembona anie aho.
Raha ho avy kosa ny masoandro baliaka ka hamelana ireo voninkazo,
Dia tsarovy f'efa hiverina izay ny havanao.
Mifalia akia fa hifankahita, hiara-hikalo hiara-hivazo,
Fa lohataona amin'izay ka hiverina anie aho.
Raha ho avy izay andro izay
Dia herezo ny fo sy fanahy,
Fa any andro iray tsy maintsy ho tafaray,
Tsarovy ralala ô,
Fa manembona anie aho.