Raha vao nandre ny antsonao
Nanaiky tsy niahotra aho
Nahatsapa koa 'lay fitia tsy miova
Ka sanatria 'zay handao
Indro omeko Anao ny fiainako
Ny finoako tsy hiala
Tsy hisy hahasaraka ahy Aminao
Raha velona aho, tsy ho laviko Ianao
Ry Jesoa mpampianatra ô
Mba ho aiza moa izahay?
Ianao no manana teny fiainana
Fanilon'ny dianay
Raha ny hatanorako indro omeko Anao
Omeko Anao tokoa ka hanjakao
Fa efa vonona aho izao hanara-dia Anao
Afoiko hilaozako avokoa zay tsy sitrakao