Famonjena nentinao Jesoa tia
Ka nomena sy hanjaka ety
'Lay fitiavanao feno hamamiana
'Lay fitia nomenao aminay
Fantatrao Ray fa malemy izahay
Mora feno fankahalàna ao am-po
Ka maniry Anao hampitoetra
Aminay ilay fitiavanao Jesoa
'Lay fitia, 'lay toetranao
Manome fo sy saina vaovao
Arotsahy hanjaka ety
Mba ahaizanay mifankatia.