Izaho moa no hendry ry mama ô
Izaho no hendry, izaho no hendry
Tsy mba nangala-tsiramamy
Na nangalatra nisotro ronono
Izaho moa no hendry ka aza vonoina
Izaho no hendry, izaho no hendry
Izaho no hendry ry mama
ka hividiano kiraro
izaho moa no hendry ry dada ô
izaho no hendry, izaho no hendry
Tsy mba namonomono ankizy
Na nila ady taminy koa
Tsy zaka ny kilalaon-dr'i Zena
Na ny zoeran-dr'i Gaby
Izaho moa no hendry ry dada
Hividianana baolina koira
Isika moa no hendry rankizy ô
Isika no hendry, isika no hendry
Nahay ny izy sy tsy izy
Tamin'ny anatr'i Ikaky sy neny
Tsy izy ny samy naka ho azy
Dia tsy izy ny nilalao irery
Isika moa no hendry rankizy
Kanefa tandremo sao very.