4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ady madinika - NALY RAKOTOFIRINGA

Ny fitambaran'ny rano amin'ny zinga no mahafeno siny
Raha toa hesoina sy voavingavinga rehefa tsy tiany
Ny andro mitambatra ho volana ka lasa taona
Tsy mahatamana ny mifamely lava sy be naonaona

Ny tsiny vaventy sy fanahiniana
Tsy misy, tsy misy tsiakory
Fa ny ady lava sy tsy mifanaja ka manorisory
Tsy tsiny vaventy tsy fanahiniana tsy misy tsiakory

Ny erikerika mandavan-taona no mahatondra-drano
Fanahiniana miverimberina mampiditra angano
Satria efa tsisy fitiavana intsony
Tsy misy intsony ka mifankahala
Tsy aleo ve dia misaraka tsisy lonjony
Tsy misy intsony ka mahalasa adala

Kanefa nahoana no hisaratsaraka raha azo leferina
Manjary hahamenatra any aoriana raha mbola hiverina
Azo oharina fa tsy hisy intsony raha ny ady madinika
Rehefa mamboatra ny saina ho tony, ho tony sy mahay mandinika

Partager ady madinika

Commenter ady madinika

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe NALY RAKOTOFIRINGA

Suite