4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Harena sarobidy - Naly Rakotofiringa



Izao no teninay aty am-piandohana

Aza atao tsirambina re ireo ankizy

Iza moa no andray valisoa

Rehefa tafita ’reo fara sy dimby.



Ary angaha, angaha ianao irery ihany

No hinjija ny vokatra any aoriana

Fa tsy soa ho antsika rehetra

Fa tsy lovam-pirenena

Ka samia re mihezaka hampisondrotra

Ireo solofo sy dimby

Harena sarobidy.



Inona re no atao?

Ny tenanao irery ve no andray adidy?

Tsy ho efanao tsy ho tanterakao

Ka andeha re hivondrona

Hiaraka hilanja ny adidy.



Ny entan-jaraina mora zaka

Ny mita be tsy mba lanin’ ny mamba

Ka mitsangana ianao

Efao ny anjaranao

Ety no adidy tsy azo ialana

Ka manantena anao ny nosinao





Naly RAKOTOFIRINGA

Partager harena sarobidy

Commenter harena sarobidy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Naly Rakotofiringa

Suite