4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Andriamanitra fitiavana - Ndriana Ramamonjy

Andriamanitra Fitiavana Ianao,

Ka mihevitra ny momba anay ety

Raha mifoha maraina izahay

Dia tsy afaka ambavanay hoe :

" Ampy ho anay ny Fahasoavanao "



Fiv :

Raha maraina mibaliaka ny andronay ety,

Ianao no masoandro nihaviany

Raha ny alin’ny ririnina no handalo ety,

Ianao no kintana hitantana ny dia



Ka ny vavaka hatao

Izay mipololotra am-ponay ao hoe :

" Ampy ho anay ny Fahasoavanao "



Andriamanitra Fitiavana Ianao,

Ka mitantana ny dianay ety

Raha andimby ny andro ny alina,

Mbola tokana ny deranay hoe :

" Izahay anie hatoky Anao "

Partager andriamanitra fitiavana

Commenter andriamanitra fitiavana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ndriana Ramamonjy